ActualitésTsidika

Famokarana: Nozaraina masomboly sy zezika maimaim-poana ireo tantsaha ao Vatovavy.

Fotoam-pambolena ny fahavaratra toy izao ka hahafahana manarina ny fiainan’ireo mponina sasany nianjadian’ny olana tamin’ny rivo-doza ireny dia hizarana masomboly sy zezika maimaim-poana izy ireo. Natomboka tao Ankatafana, Distrika Mananjary izany fizarana izany. Hatolotra maimaim-poana ireo tantsaha izany hahafahan’izy ireo mihary.

“Tantsaha mpamokatra miisa 250, izay marefo sy tra-pahavoazana tamin’ ny fandalovan’ ireo rivodoza EMNATI, ANA, BATSIRAY ary DIMAKO no nisitraka maimaimpoana masomboly, vary 265, zezika NPK, ary zezika bilojika Taroka, avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana amin’ny alàlan’ny ARC (Africa Risk Capacity). Ho fitsinjovana ireo tantsaha marefo ara-tsakafo, sy mba ahazoany hery ho an’ ny famokarany dia notolorana vatsy tsinjo  ihany koa izy ireo, tohana avy amin’ny CPGU sy ny ONN”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana.

“Zezika sy masomboly no nozaraina ho anay hahafahanay miavo-tena indray. Ankoatra ny fanjonoana mantsy dia ny fambolena sy fiompiana ihany koa no sehatra hahafahanay mihary aty amin’ny faritra misy anay aty”, hoy ny solonteann’ireo tantsaha.

“Mety mahay hoe mamboly amin’ny fikafika izay efa netim-paharazana ireto mponina ireto fa raha te hahazo vokatra mahomby kokoa dia ilaina ny manome fampiofanana azy ireo miaraka amin’ireo masomboly izay heverina fa tsara kalitao ireo”, hoy kosa ity manam-pahaizana mahakasika ny fambolena ity raha nanazava ny heviny.

Santatra am-bava rano izao hetsika izao satria samy hahazo fanampiana avokoa ireo tantsaha any amin’ ny distrika tra-pahavoazana rehetra ao amin’ ny faritra Vatovavy izay manodidina ny 3800 eo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire