ActualitésTsidika

Fizahantany: Nisokatra ny toeram-pampiofanana mahakasika ny fandraisam-bahiny “Fanorona”

Nosokafana tamin’ny fomba ofisilay ilay toeram-piofanana mahakasika ny fandraisam-bahiny sy ny manodidina izany ho an’ny tanoran’ny Sainte Marie. Ity toerana ity izay tena ankafizin’ny mpizahatany maro ka rariny sy hitsiny raha any no hametrahana izany toeram-piofanana izany. Maimailm-poana tanteraka ny fampianarana izay omena ao amin’ny Fanorona

“Mpianatra 20 eo no hahazo tombontsoa amin’ity fampianarana maimaim-poana ity. Haharitra enim-bolana ny fampianarana sy fampiofanana ka izay rehetra mahakasika ny tontolon’ny fandraisam-bahiny dia ho hita amin’izany avokoa. Mpiasa sy manam-pahaizany maro izay nivoaka avy ao amin’ny vatel ihany no hampianatra sy hanao asa soa ho an’ireto tanoran’ny Sainte Marie ireto”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Vatel, nanangana sy mitantana ny Fanorona.

“Tombony betsak ho anay ilay izy satria hitanay fa tokony hiroborobo ity fizahantany ity aty aminay raha mijery ny habetsak’ireo olona tonga eto. Ity fampiofanana ity ihany koa izay hahafahanay manome tolotra vaovao ho an’ireo mpitsidika. Mba hitadivanay indrazy izay mampiavaka anay ka hahahafahanay misarika mpizahatany vaovao hafa indray izany”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra.

“Ny tanjona lehibe indrindra amin’ity tetik’asa izay ao amin’ny Miarakap ity dia mba hahafahana manolotra asa vaovao sy mari-pototra ary mampidibola ho an’ny tanora amin’ny tontolon’ny fizahan-tany”, hoy ny avy ao amin’ny Fandaharan’asa Miarakap.

Tany Morondava no nananganana ny Fanorona voalohany indrindra ka rehefa hita fanahomby izany dia ziao natsangana izao ihany koa ny eto Sainte Marie. Izany no natao mba hamaliana ny fangatahan’ireo mponina ihany nandritra ny fanadalovan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire