ActualitésTsidika

Fahasalamana: Ny zaza latsaky ny dimy taona no tena tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.


Manodidina ny 1,43 tapitrisa eo ny isan’ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo nanomboka ny novambra 2021 ka hatramin’ny aogositra 2022 teo raha ny fanisana nation’ny Integrated Phase Classification (IPC) 2021. Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika no mahazo ireo karazan’olona ireo ary zaza latsaky ny 5 taona ny 309 000 tamin’izany antontan’isa izany. Isan-karazany anefa ny antony miteraka izany teo amin’ireo olona maro be ireo ary anisany  ny fandalovan’ilay rivo-doza mahery vaika teo.
“Ny faritra atsimo iny no tena ahitana tranga maro ary ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fanombohan’ny taom-pambolena sy fiiotazana no anisan’ny mahatonga izany tsy fanjarian-tsakafo izany. Antony iray nahatonga ilay tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ihany koa dia ny fandalovan’ny Madagasikara iny aretina covid19 iny izay nampiakatra ny vidin’ireo vokatra ilaina amin’ny andavan’andro. Vinavinaina mbola hiaktra hatrany anefa io izay mety hahatratra hatramin’ny 1 779 tapitrisa amin’ny 2023 raha tsy misy vahaolana”, hoy ny avy ao amin’ny IPC.
Anisan’ny nitondra vahaolana amin’izany anefa ny ONG Humanité et Inclusion, izay namolavola ny tetik’asa « TIALONGO », « Tosika Iarahana Avy Longo ». “Natao indrindra ity tetik’asa ity handraisana an-tanana ireo zaza sy ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy ireo izay vinavinaina ho mety tratran’izany. Raha tsy havotana dieny mbola tsy mahazo laka loatra amin’ireo ankizy izany dia mety hiteraka olana ara-pahasalamana lehibe ho azy izay mety ho tonga hatramin’ny fahasamponana. Natao ihany koa hiarovana ireo izay voasokajy ho mbola tsy tratran’izany tsy fanjarian-tsakafo izany. Fitiliana sy fitsaboana na ny thérapie de stimulation-malnutrition aigüe sévère (TS-MAS) no hatolotray amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavana avy ao amin’ny HI, Tompon’ny tetik’asa.
Maimaim-poana ny TS-MAS ary hahafahana mampiroborobo azy dia nisy ny atrik’asa sy fampirantiana ary fampahafantarana izany mba hanentanana ireo izay rehetra misehatra amin’ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo mba hampiasa izany. Anisan’ny efa fandraisana andraikitra amin’izany ny fametrahana ny fampisakafoanana an-tsekoly ka tsara hatrany ny manohy izany.


Miora Raharisolo

Laisser un commentaire