ActualitésTsidika

Fikambanana BTC: Handray mpikambana vaovao amin’ny alalan’ny karazana lalao


Mandray mpikambana vaovao indray ny fikambanana BTC amin’izao fotoana izao ka amin’ny alalan’ny lalao isan-karazany no hanatanterahany izany. Hisy ny “Olympiades” izay ho karakaraina ny 12 ka hatramin’ny 18 desambra izao. Ho raisina ho mpikambana ary hisitraka ny zava-tsoa rehetra ao anatin’ny fikambanana ireo izay mandray anjara rehetra amin’izany lalao izany. Efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te handray anjara amin’izany.
“Ny taranja français, anglais ary ny mathématiques no hifaninanan’ireo ankizy sy tanora liana amin’izany olympiades izany. Fotoana iray natao handraisana ireo izay te hiditra ho mpikambana vaovao ato anatin’ny fikambanana ihany koa izy io ka afka mandray anjara avokoa ny olona rehetra tsy ankanavaka”, hoy i Hasina Andriantseheno, filohan’ny Fikambanana BTC.
“Tsy misy fanontaniana sarotra be fa mila mampiasa saina kely fotsiny. Raha tsy hiresaka hafa-tsy ny taranja mathématiques fotsiny izao dia efa omena eo ny valiny fa misafidy fotsiny izay marina amin’ny hatolotra eo ireo mpilalao. Ny amin’ny anglais indray soratononina sy ady hevitra. Efa azo hatao ny misoratra anarana”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Ilaina hatrany aloha, raha ny fijeriko azy, ny miditra fikambanana. Tombony betsaka no azo amin’izany dia ny fahafantarana olona izay mety avy amin’ny sehatra samihafa. Eo ihany koa ny fahaizana zava-baovao. Manolotra fotoana fanararaotra izao ny BTC dia tokony tena hararaotina satria tsy mifidy olona ny fikambanana”, hoy ny solontenan’ireo mpikambana ao amin’ny BTC.
Ireo mpandray anjara rehetra amin’ny “olympiades” dia voaray ho mpikambana avy hatrany ka efa azo atao ny misoratra anarana raha vonona ny handray anjara amin’izany. Azo atao ny miantso ny laharana 034 14 701 10 sy ny 034 93 039 11.
Miora Raharisolo

Laisser un commentaire