Alasora: Mitohy ny fizahana maso ao amin’ny Centre de santé Orthodoxe
Mitohy hatrany ny fandraisana ireo marary sy ny fizahana maso ao amin’ny centre de santé Orthodxe, ao Alasora, amin’izao fotoana izao. Araka ny voalaza, isaky ny talata hariva sy ny alarobia hariva no fandraisana ao an-toerana.
“Miezaka hatrany ny eto amin’ny ivon-toerana fitsaboana manome fizahana sy fitiliana ho an’ireo mponina eto an-toerana sy ny madidina, ahafahan’ny rehetra misitraka fahasalamana sy mifanampy mifanohana amin’izao andro sarotra izao” hoy ireo avy ao amin’ny Centre de santé Orthodoxe.
“Anisan’ny manampy ary manala ny fahasahiranan’ny rehetra tokoa ny fisian’ity centre ity. Raha oharina amin’ireo toeram-pitsaboana hafa dia tena mirary ny saram-pizahana ato ary mahafapo ihany koa ny fandraisana” hoy I Agnès, mpizaha maso ao an-toerana.
Anisan’ny taova saro-pady amin’ny olombelona ny maso. Mirongatra ihany koa ny areti-maso amin’izao fotoana izao ary miseho amin’ny endriny samihafa izany. Misokatra ary mandray ny rehetra araka izany ny centre de santé Orthodoxe ao Alasora amin’izao fotoana izao. manomboka amin’ny 10000ariary ny saram-pizahana ao amin’izany.
Manitra Ramanantsoa
