Ankadikely Ilafy: Mampitaraina ny mpandeha ny fomba fiasan’ny fiara fitateram-bahoaka
Tsy vao mpandeha iray no nitaraina manoloana ny hafitsok’ireo fiara mpitatitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, fa efa maro ireo mpandeha no tsy voahaja zo ary voasivana eny an-dalana. Araka ny voalaza, manery ireo mpandeha amin’ny fandoavana saran-dalana in-droa ireo mpamily sy ny mpanampy ny mpamily, ary tsy tonga any amin’ny faran’ny fiantsonana rehefa mitatitra.
“Fomban’ireo mpamily sy mpanampy azy amin’izao fotoana izao, rehefa hiditra ny fiara ny mpandeha dia manontany izay alehanao izy ireo ka rehefa Ankadikely no hamaliana azy dia tsy mitondra izy ireo” hoy I Tojo, mponina ao Ankadikely Ilafy.
“Ny angatahana amin’ny tomponan’andraikitra rehetra izay voakasika dia ny mba hanaovana fanaraha-maso ireo fiara ireo fa tena mijaly ny vahoaka mpandeha, indrindra ny tsy fanajana ny zon’ny mpandeha efa tsy resahana intsony manoloana izany” hoy I Nathalie, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
Manaitra ny tomponandraikitra araka izany ireo mpandeha, indrindra fa ireo mponina izay voatery mampiasa ny zotra isanandro, mba handray fepetra manoloana izao zava-misy izao.
Manitra Ramanantsoa
