SportTatitra

Finlande : Lasan’i Ott Tanak ny fandresena amin’ny WRC

Nanomboka ny taona 1973 no nisian’ny fifaninanana manerantany amin’ny fanamoriana fiarakaodia na ny « World Rally Championship » (WRC). Mikarakara izany ny federasionina iraisam-pirenena momban’ny fiarakodia. Tafiditra ao anatin’io fifaninana io indrindra ity tao Finlande ity, “Arctic Rally” no anarany, nisolo ny Rally de Suède, tsy tanteraka ny taona lasa nohon’ny fisian’ny valan’aretina Covid- 19.  Amin’ny fotoana mahabe ranomandry toy izao no fanatanterahana ny WRC. Norombahin’i Ott Tänak indray ny fandresena tamin’izany ny alahady 28 febroary lasa teo. Nitondra ny fiara marika Hyundai izy nandritra ny fifananana. I Kale Ronvanperä kosa no nanarakaraka azy, naka ny toerana voalohany teo amin’ny sokajin’ny mpanamory izy taorian’ny fahitany ny fahadisoam-panantenan’i Sébastien Ogier. Samy nitondra fiara “Toyota” izy roa lahy ireto. I Kalle Rovampera no mitarika amin’ny fiadiana ho tompondaka manerantany. Voafitaka teo amin’ny fiodinana farany I Sébastien Ogier, antony nahatonga ny fahareseny.

Laisser un commentaire