ActualitésTsidika

Alasora: Nanatanteraka fanentanana momba ny asa sahaniny ny Kolotanana

Nanatanteraka fanentanana mahakasika ny asa izay sahaniny teny anivon’ireo fokontany ao amin’ny kaominina Alasora, ny fikambanana Kolontanana, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Niara-nientana niaraka tamin’izy ireo ny mponina tao amin’ny fokontany Alasora, Amboaroy ary Est Mahazoarivo nandritra izany.

“Niara-nientana ireo mponina nandritra ny fandalovana teny anivon’ireo fokontany izay nanatanterahana ny fanantenana tamin’ny indray mitoraka iny. Nisy ihany koa moa ny kilalao izay nentina nandravaka ny fanentanana. Mbola hitohy ny hetsika ho an’ny fokontany hafa” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana.

“Zava-dehibe tokoa ny fanentanana sy ny firotsahana an-tsehatra tahaka izao mba ho fantatry ny rehetra. Ilaina be izany, indrindra mba hampandraisana andraikitra ireo mponina mahakasika  ny resaka fanadiovana” hoy I Mireille, tompona tranom-barotra.

Raha tsiahina moa, ny Kolontanana dia fikambanana iray izay misahana ny fanadiovana sy manentana amin’ny fahadiovana ao anatin’ny kaomina Alasora. Izy ireo izay mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanadiovana ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire