ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nasiam-panavaozana ny loko amin’ny efitranon-tsekoly

Nasiana fanavaoazana ary nohatsaraina mifanaraka amin’ny filàn’ny ankizy madinika mianatra ao aminy ny lokon’ny efitrano fianarana “préscolaire” ao amin’ny EPP Soaniadanana, kamonina Sabotsy Namehana. Fiaraha-miasa tamin’ny sekoly sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany no nahafahana nanatanteraka izany, raha ny voalaza.

“Mahafinaritra tokoa ny mijery ireo karazana loko marevaka amin’ny rindrina amin’ny efitrano fianarana. Tena manintona ny maso ary mety amin’ireo ankizy madinika amin’ny fisokafan’ny saina sy ny fivelarana” hoy I Raivo, ray amandrenin’ny mpianatra.

“Zava-dehibe ny fampirantiana ny loko amin’ny efitrano fianarana. Tsy ho an’ny ankizy madinika ihany fa na ireo efa ambaratonga zokiny aza. Manampy ny ankizy hifantoka sy mampivelatra ny saina ny loko. Ary mampisy serasera eo amin’ny mpianatra” hoy I Nadia, mpampianatra.

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ny fikarakarana ny toeram-pianarana. Anisan’ny manome lanja ireo mpianatra izany no manome endrika ny sekoly. Mendrika fikarakarana tahaka izany avokoa ny toeram-pianarana rehetra mba hampisy fenitra ny fampianarana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire