Kolontsaina: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ilay bokin’i Edith Barijaona “Vorona ô”
Dépêche 30 novembre, 12h30, Mpanoratra frantsay niserasera betsaka tamin’ny mpanakanto Barijaona i Edith Barijaona izay nanoratra ity boky mitondra ny lohateny hoe “Vorona ô, le messager” ity. Boky izay mirakitra ny tantaram-piainan’i Barijaona, mpanakanto, sy i Haut Suzza izay nampalaza ilay hira hoe “vorona ô”. Mirakitra ny hafatra tian’i Barijaona hambara ihany koa ity boky ity izay naharitra 10 taona ny fanadihadiana nahafahana namoaka azy izao.
