ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tafapetraka ny fitsipi-pifehezana momba ny fahadiovana sy ny fanadiovana

Nandritra ny fivoriana niarahan’ny komitim-pokontany sy ireo tomponandraikitra misahana ny sosialy tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, no namoahana ireo fitsipi-pifehezana mahakasika ny fahadiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny kaominina. Raha ny voalaza hatrany, ho fitsinjovana ny fahadiovana sy ny fahasalamana ary ny filaminana sy ho fampandehanan-draharaha no namoahana izany fitsipi-pifehezana izany.

« Tafapetraka ary natao ho arahan’ny rehetra manomboka amin’ny mponina isan-tokatrano mankany amin’ny fokontany, ary indrindra hampiharina avy hatrany entina handaminana ny lafiny fahadiovana ireo fitsipika napetraka. Izany dia miainga amin’ny fampandraisana andraikitra ireo izay tratra mandika ny fitsipika sy fanasaziana amin’ny fandoavana vola manomboka amin’ny 10 000 ar ka hatramin’ny 50 000 ar » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Anisan’ny olana lehibe eo amin’ny fampandrosoana eto amin’ny kaominina ny fahadiovana, ary ireo andinin’ny lalam-pifehezana rehetra voatanisa dia anisan’ny mahaksika ny fahazaran-dratsin’ireo mponina, izay hisaorana ny tomponandraikitra nametraka ireo sazy izay hita mifanaraka amin’izany tokoa ary miandry ny fampandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay ao anatin’izany » hoy i Miary, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso ireo isam-pokotany amin’ny fampanarahana ireo fitsipika entina mikajy ny fahadiovana sy hampirindrana ny filaminanana sy ny fanadiovana ao amin’ny kaominina izao. Marihina moa fa voaresaka mandritra izany fivoriana izany ihany koa ny resaka tanamaron’ny fandriam-pahalemana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire