ActualitésTsidika

Fifaninanana : Miisa 7 ireo mpifaninana nahazo ny amboara tamin’ny hetsika « Play Your Airport Challenge »

Fantatra ireo mpilalao fito nandresy tamin’ny lalao izay nokarakarain’ny Ravinala Airports sy ny vondrona ADP. Izany no natao mba ahafahana maka hevitra sy mitady izay fomba hanatsarana ny seranam-piaramanidina Ivato. Miendrika fifaninana izy ity saingy nahazo lelavola kosa ireo mpilalao izay naharesy sy tohana ara-pantanterahana ny teteik’asa.

« Miisa 3 ny hevi-dehibe izay nentina nifaninanana. Voalohany ny mahakasika fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramandina sy ny foto-drafitr’asa, ka ny tetik’asa Andao Company no voalohany ary ny tetik’asa Recycl’O no faharoa. Ny lohahevitra faharoa kosa dia mahakasika ny tolotra anaty fiaramanidina izay nahazoan’ny Restauration responsable catering ny laharana voalohany ary ny faharoa kosa dia ny tetik’asa Emeeilo. Ireo roa voalohany tamin’ny lohahevitra fahatelo izay nampitondraina ny lohateny hoe: ny fanatsarana ny hiainan’ireo mpandeha amin’ny zotram-piaramanidina. Norombahan’ny MadaGreenAgain izany ary faharoa kosa ny tetik’asa Safly », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ravinala Airports.

« Ireo tetik’asa naharesy lahatra ireo izany dia hita fa hitondra fiovana miabo ho an’ny orinasa sy ireo mpanjifa. Na amin’ny lafiny ara-tsosialy izany, na ny lafiny tontolo iaianana ary ihany koa ny lafiny foto-drafitr’asa sy ny tolotra rehetra, Satria dia ziay no fomba nitsarana ity fifaninanana ity », hoy ny avy ao amin’ny vondrona ADP.

Lelavola mitentina 10 tapitrisa ariary no nomena ireo telo voalohany ary 5 tapitrisa ariary kosa ho an’ireo faharoa. Izany moa dia natolotra mba hanatantarehana ny tetik’asa izay handrandraina hitondra fanovana hahasarika sy hanaja ny fenitra ara-tontolo iaianana eo anivon’ity seranam-piaramanidina Ivato ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire