ActualitésTsidika

Alasora : Ho tohizana sy hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny « Association Zazakely »

Nandritra ny dian’ny ben’ny tanàna any Lafrantsa amin’izao fotoana izao, dia nitsidika sy ny nitafa tamin’ireo avy ao amin’ny Association Zazakely (AZA) any La Grande-Motte, ny ben’ny tanàna mivady, ity fikambanana ity izay mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Alasora. Araka ny voalaza, ho tohizana ary ho hamafisina izany fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany.

« Ny AZA dia miantoka ny sakafon’ny ankizy ao amin’ny EPP Ambodivondava nanomboka ny taona 1995 ka hatramin’izao. Izy ihany koa no namatsy vola ny fanamboarana ny EPP Ambodivondava sy ny EPP France Jean Amboaroy » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora.

Manoloana izany indrindra, manana ny faniriana sy ny hetaheta ny mba hitaran’izany fiaraha-miasa izany eny anivon’ireo EPP hafa ao anatin’ny kaominina Alasora ny mponina.

« Mbola maro ireo EPP marefo sy mila tolo-tanana, indrindra fikarakarana ato anatin’ny kaominina, ohatra ny EPP eny amin’ny fokontany Mahitsy, Ambohidrazaka, ny Ampahibato sy ny maro hafa » hoy i Ando, mpirotsaka an-tsitra-po mahakasika ny zon’ny ankizy.

Maro ireo EPP mila fanaraha-maso sy mila tolo-tanana ao anatin’ny kaominina Alasora. Miandrandra fiovana araka izany ireo mponina ao Alasora amin’ny fitohizan’izao fiaraha-miasa izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire