Fomba Malagasy: Ireo fady teo amin’ny Malagasy
Maro isan-karazany ireo fady teo amin’ireo Malagasy fahiny tany aloha tany. Mbola tsy vitsy ihany koa ireo taranaka ankehitriny no mbola manaja izany fady izany. Samy manana ny fady azy araka faritra tsirairay saingy amin’ny ankapobeny dia manana hitambarana ihany izy ireo. Tafiditra amin’izany ihany koa ireo fady amin’ny toerana voasokajy ho manan-kasina maro manerana ny nosy.
Maro ny zavatra norarana fahiny ela be tany aloha tany. Nanaja izany avokoa ny Malagasy rehetra fa noho ny fanatontoloana dia nisy ny fanovana. Tao ireo nanaraka ary tao ihany koa ireo niala saingy eo amin’ny fiara-monina dia misy foana ihany ny azo atao sy ny tsy azo atao. Ireto ary misy sokajina fady isan-karazany izay najain’ireo ntaolo fahiny.
Eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy dia fady ny manorin-tranoeo afovoan’ny tany lemakana ambody lohasaha. Fady ihany koa ny matory mianatsimo loha satria dia ireo mpamosavy matin’ny tangena no alevina mianatsimo loha. Ary tsy azo atao ihany koa ny mandry mianatsimo loha.
Raha ny resaka sakfo kosa dia maro amin’ny Malagasy no fady kisoa noho ny antony samy manana ny azy. Hitambaran’ny Malagasy rehetra kosa ny fady mihina-mandry fa mahakofona Ray aman-Dreny hono izany.
Samy manana ny fadiny ny olona syn y karazan’olona rehetra ka tsy tokony zimbazimbaina izany. Anisan’ny antony nametrahana ny fady moa dia ny mba hisian’ny fifanjana ka anisan’ny fomba iray hamaritana fa mifanaja ny olona dia manaja ny fadin’ny sasany izy.
Miora Raharisolo
