Fiompiana : Tsy mahafeno ny filàn’ny mponina ny vokatry ny fiompiana eto Madagasikara
Mbola 80% amin’ny Malagasy ankehitriny no tantsaha. Tafiditra ao anatin’izany ny mpiompy. Mbola tena sehatra ahitana mpisehatra maro izy io. Etsy andaniny anefa dia mbola tsy mahasahana ny filàna sy ny fitadiavam-bola ho an’ireo mpisehatra izany. Mihena ihany koa ny fanjifana ny vokatra avy amin’ny fiompiana raha tokony 40kg isan-taona izany dia 10kg fotsiny amin’izao fotoana izao.
« Na dia eo aza ny mpandraharaha te hisehatra amin’ny fanondranana ny vokatra avy amin’ny fiompiana, toy ny hena dia mbola tsy mahazaka ny fenitra iraisam-pirenena ny vokatra Malagasy ka manjary lasa mihafihafy ireo mpisehatra amin’ny fivarotana sy ny fanaparitahana izany amin’ny eto an-toerana ihany izay tokony hampitomboana ihany koa ny kalitao ny tolotra », hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny lahateniny.
« Ireo fenitra ara-pitaovana, ara-foto-drafitr’asa, ary ara-pitahirizana no antony betsaka indrindra mbola tsy hahazoana alalana hanondrana na dia hita ary fa misy amin’ireo vokatra no tsara kalitao araka ny kalitao ilain’ireo firenena mpiara-miasa. Tokony hamboarina sy havaozina ary hampianarina ny mty sy ny tsia ireo mpisehtra ao anatiny », hoy hatrany ny fanazavana.
« Ahafahana manatratra ireo tanjona ireo sy hahafahana mahaleo tena ara-tsakafo dia natao ity “foire international de l’élévage et de la production animale” ity. Mandritra izany fotoana izany no ahafahana mahita ireo fenitra tena takian’ireo olona izay mety hiara-hiasa. Ahafahana ihany koa manome torolalana ireo mpisehatra Malagasy », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, izay miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fiompiana amin’ity foire ity.
Manana tombony amin’ny sehtra maro i Mdagasikara saingy misedra olana foana. Ireny foto-drafitr’asa sy ny fampiofanana ny mpisehatra ao amin’ny tontolo iray mety hampandroso no tokony himasoana hahafahana manarina ny Firenena.
Miora Raharisolo
