Iran : Tsy mbola fotoan’ny fivoriana amin’ny fifanekena mikasika ny nokleary izao hoy i Teheran.
Nolavin’i Iran ny alahady 28 febroary teo ny hevitra momba ny fivoriana tsy ara-potoana miaraka amin’i Etats-Unis sy i Europe. Fivoriana nokasaina hiresahana ny fomba famerenana ny fifanarahana nokleary tamin’ny 2015 io nokasaina saika hatao io. Manitrikitrika ihany koa ny hanafoanan’i Washington ny sazy rehetra nifanaovany. Nilaza i France, Allemagne ary Angleterre, tamin’ny fanambarana niaraha-nanao ny talata 23 febroary lasa teo fa tsy maintsy miara-miasa tanteraka amin’ny International Atomic Energy Agency (IAEA) i Teheran ary hanafoana ny fepetra rehetra mba hisian’ny mangarahara amin’ny programa nokleary ao aminy. Mitsipaka ny fanapahan-kevitr’i Iran manoloana ny fanafoanana ny paikady sy ny fepetra mangarahara momba ny drafitra iraisana momba ny asa ireo eropeana telo (« E3 ») nanao sonia tamin’ny fifanarahana tamin’ny 2015.
