ActualitésTatitra

France : Tovovavy iray voahendaka tao anaty Métro

Tovovavy 23 taona no voahendaka tao anatin’ny zotra B ny métron’i Toulouse tao Haute-Garonne ny alin’ny talata teo. Manodidina ny misasakalina no niseho ny tranga. Rehefa nipetraka tao anatin’ny fitaterana io tovovavy io dia nisy mpandeha iray nanantona azy, nisintona ny findainy ary nitsatoka antsy azy im-betsaka.

Niezaka nanenjika io mpanendaka azy io ilay tovovavy na dia naratra aza. Voasitony ny findainy saingy tafatsoaka kosa ilay mpanendaka. Vetivety ihany dia tonga ireo manam-pahefana ka nentina teny amin’ny hopitaly ilay tovovavy. Hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny tranga ny antsy nampiasain’ilay mpanendaka izay karohan’ny manam-pahefana amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire