Yemen : Vola mitentina 3,85 miliara dolara vinavinaina ho voaangon’ny ONU hiadiana amin’ny mosary.
Maminavina ny hahangona vola mitentina 3,85 miliara dolara (manodidina ny 15 000 miliara ariary) ny firenena mikambana na ny ONU. Nambarany izany nandritra ny fihaonamben’ny mpamatsy vola entina miady amin’ny mosary ao Yemen ny alatsinainy 01 martsa. Mijaly ny mponina any an-toerana indrindra ireo zaza noho i Yemen voasokajy ho firenena lasibatry ny ady. Manodidina ny 100 ireo governemanta sy mpamatsy vola nandray anjara tamin’ny fihaonambe amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra izay nokarakarain’ny Suède sy Suisse. Nihamafy indray ny herisetra miseho ao Marib, avaratr’I Yemen. Tanàna isan’ny mahantra indrindra ao an-toerana. Olona an’alina no efa maty nandritra ny fifandirana misy eo amin’ireo samy mponina ao an-toerana. An-tapitrisany maro kosa ireo mati-mosary noho io ady lava efa ho enina taona mahery nisiana io. Ity ao Yemen ity no krizy faran’izay ratsy indrindra eran’izao tontolo izao hoy ny ONU. Araka ny tarehimarika navoakan’izy ireo, maherin’ny 16 tapitrisa (antsasaky ny mponina) ireo mponina ao Yemen hiatrika krizy ara-tsakafo indray amin’ity taona ity. Manodidina ny 50 000 amin’izy ireo no efa matin’ny hanohanana efa azo sokajiana ho mosary any an-toerana. Zaza latsaky ny dimy taona manodidina ny 400 000 ihany koa no mety ho fatin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha tsy misy fitsaboana haingana. Nanano sarotra ny firenena mikambana ny fanangonam-bola entina hanampiana an’i Yemen ny taona lasa teo noho ny fisian’ny valanaretina covid-19. Tsy hiraviravy tanana anefa izy ireo raha araka ny nambarany fa hanao izay azo atao rehetra hanampiana ireo mponina ao Yemen ireo.
