ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hisy ny atrikasa hifampidinihana ny mahakasika ny fiarovana ny varika

Hisy ny atrik’asa izay hifampidinihana mahakasika ny fiarovana ny varika eto Madagasikara. Manankarena izany biby izany isika eto, ary manana ireny karazany tena tsy misy hafa-tsy eto ireny. Ahazoana tombony maro izany na ho an’ireo mpisehatra aminy na ho an’ny Fanjakana iray manontolo. Izany no antony hanatanterahana ity fifampiresahana ity, ahitana vahaolana maharitra amin’ny fiarovana ireto biby ireto. Ao amin’ny Oniversite Ravelojaona no hanatanterahina izany ny zoma 18 novambra izao.

« Ny varika, adidy sy andraikitry ny olom-pirenena rehetra ny miaro ny tontolony » no lohahevitra hovoizina mandritra ity atrik’asa ity. Hanasana ny olom-pirenena rehetra izany izay ahitana famelabelaran-kevira sy ady hevitra mahaksika ny tokony sy ny tsy tokony hatao », hoy ny tompon’andraikitry ny GERP, mpiakarakara ity atrik’asa ity.

« 98% amin’ny varika eto Madagasikara no efa ahiana ho lany tamingana. Misy karazany 13 izao efa arahamaso akaiky satria misedra olana betsaka amin’ny fandrosoan’ny fanimban’ny olombelona ny tontolony. Maneran-tany mihitsy dia tafiditra aoa natin’ny biby efa ahiana ho lany tamingana ny varika », hoy hatrany ny GERP, ivontoerana fikarohana mahakasika ny varika.

Manankarena biby hafakely mahasarika mpizahatany isika. Andraikitry ny tsirairay ny miaro azy ireny satria fananana iombonana. Azo atao ny manatrika ity atrik’asa ity raha te handray anjara amin’ny fiarovana ireny biby ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire