Dépêches

Fizahantany : Nahazo ny mari-boninahitra « Green Key » ny « Le Radisson » Antananarivo

Dépêche 14 novembre, 15h, Trano fandraisam-bahiny manana ny maha izy azy ny “Le Radisson” Antananarivo, izay hita ao amin’ny Waterfront Ankorondrana. Izy no nisitraka ny mari-boninahitra « Green Key » voalohany eto Madagasikara. Marika ahalalana fa manome tolotra miaro ny tontolo iainana sy manome lanja ny fampandrosoana lovain-jafy amin’ny alalan’ny fampiantranoana mpizahatany ny « green key ». Ity trano fandraisam-bahiny ity no voasafidy manana izany tolotra izany tsara indrindra eto Madagasikara noho ireo tolotra isan-karazany ao aminy. Raha tsy hiteny afatsy ny fitsitsiana rano, ny fahadiovana, ny laafiny ara-pahasalamana ary ao ihany koa ny fanodinana fako. Tokony ho toy izany avokoa ny orinasa rehetra ahorina hahafahan’ny taranaka any afara misitraka ny zava-tsoan’ny tontolo iainana.

Laisser un commentaire