SocialTsidika

Marimaritra iraisana amin’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony.

Matahotra ny hisian’ny korotana indray ireo tompon’andraikitra eny amin’ny fampianarana ambony. Tsy tokony hiverina intsony ireny tranga toy ireny tany Toamasina ireny ka aleo sorohina araky izay azo atao mba tsy hisian’ny korotana. Nomena ny mpianatra avokoa ny nangatahan’izy ireo nandritra ny fitakiana nataony raha ny tany amin’ny Oniversite Maninday Toliara manokana ka nitsahatra aloha ny fitokonana. Nifampiresaka nivantana mihitsy ny mpianatra any Toliara sy ny solontenam-panjakana isan-tokony. Anatin’izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika, ny Governora Ranoelson Edally, ny Prefet-n’i Toliara, ny Solombavambahoaka miralahy, ny CFM ary ireo Raiamandreny solotenan’ny foko 18. Novahana avokoa ireo olana tamin’ny mpianatra mikasika ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitr’asa. Manomboka ny Alatsinainy 1 Martsa ny asa fanatanterahana izany. Nilamina tsara any dinidinika teo amùin’ny roa tonta toy ireny ray aman-dreny sy ny zanaka ireny. Paik’ady tena tsara ity noraisina ity ary hita fa nahomby tokoa satria tanaty filaminana feno. Aoka ho tapitra hatreo noho izany ny herisetra sy ny fanararaotan-kery izay hatao amin’ny mpianatra. Hita mantsy fa vahaolana mahomby tokoa ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire