ConseilTsidika

Torohevitra : Mampitombo ny hery fiarovana ny fihinana sakafo maro loko

Anisan’ny tany mamokatra ary manan-karena vokatra natoraly, voajanahary ary ara-pahasalama i Madagasikara. Manana tombony manokana isika Malagasy amin’ny fananana ireo vokatra sy harena eto an-toerana, raha ny resaka sakafo « bio » no jerena. Indraindray isika, manamaivana na mialangalana manoloana ireo sakafo maro loko, legioma isan-karazany kanefa anisan’ny tombony ho antsika ny fananana azy ireny, tsy mbola misy akory simika.

Maro ny tombotsoa amin’ny fihinana ireo legioma toa ny voatavo, ny karaoty, ny ovy, ny selery isan-karazany, izay fantatra fa manankarena vitamine A sy singa mineraly maro hahafahana mampitombo ny hery fiarovana. Toy izany ihany koa ny voankazo. Ity farany izay tsara ny hihinana karazany 5 isan’andro mba ho antoky ny fahasalamana.

Afaka ovaovaina amin’ny endriny maro ny fihinana ireo legioma mba tsy ho mora hankaleo sy hahatofoka. Azo atao ohatra ny manao lasary na andrahoana amin’ny entona ny voatavo, ny karaoty sy ny ovy ampiarahana amin’ny voasarimakirana.

Ankoatra izay, tsy ny legioma sy ny voankazo irery ihany ny tokony hoanina betsaka, fa mbola eo ihany koa ireo vokatra azo avy amin’ny ronono, ny soja ary ny sesam. Ireo rehetra ireo izay sady mampitombo ny hery fiarovana, no manatsara ny fiasan’ny atidoha, indrindra ho an’ny ankizy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire