Fifamoivoizana : Mikatona ny lalana eo anelanela’ny tetezana Ambohitrimanjaka sy Andranotapahina.
Dépêche 11 novembre, 15h, Noho ny fanamboarana ny lalana mampifandray ny tsenan’ny asa tanana sy Ivato dia notapahina ny fampiasana iny lalana iny nanomboka ny 4 novambra teo. Andro vitsivitsy izay anefa dia nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’io toerana io noho ny tsy fanajana izay lalàna izay. Mbola nalama ny lalana ary vao mainka nanampy trotraka izany ny rotsak’orana. Angatahana araka izany ireo mpampiasa lalana mba handray andraikitra sy hanaraka ny lamina napetraka mba tsy hisian’ny loza indray.
| RépondreRépondre à tousTransférer |
