Dépêches

Fanodinana fako: Havadika ho entona azo ampiasaina ny fako miangona etsy Andralanitra.

Dépêche 08 novembre, 15h, Tao anatin’ny herinadnro maro iz&ay dia niteraka setroka be loatra ny fandoroana ny fako teo Andralanitra. Miteraka tsy fahasalamana amin’ireo mponina maro eny an-toerana izany. Mandoto nyr ivotra hiainana eto Antananarivo mihitsy ihany koa izy io ka efa nanao ezaka ny mpamonjy voina namono ny afo teny an-toerana saingy sarotra izany. Vahaolana maharitra no haroson’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ka natao ny fifanaovan-tsonia mahakasika ny fanodinana ny fako ho lasa entona azo hampiasaina izay hotanterahin’ny orinasa APIS Solutions sy ny SMA. Hirariana ho tanteraka tokoa izany fa tsy hijanona ho Sonia fotsiny ihany.

Laisser un commentaire