ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Andrin-jiro maromaro no nianjera ao amin’ny fokontany Antsapandrano

Vokatry ny oram-be nikija ny faran’ny herinandro lasa teo, foto-drafitr’asa maromaro an’ny orinasa Jirama no nahitana fahasimbana toy ny andri-jiro, tariby mitondra herinaratra tapaka, ao amin’ny fokontany Antsapandrano, kaominina Ankadikely Ilafy. Maro ny fanelingelenana naterak’izany, araka ny voalaza. Manentana ny mponina anefa ny avy ao amin’ny kaominina ny amin’ny tokony hitandremana sy ho mailo, indrindra amin’ny loza haterak’izy ireny amin’ny fiandohan’ny vanimpotoana fahavaratra izao.

« Isaorana ny ekipa teknika mpanamboatra (Dépannage) eo anivon’ny jirama amin’ny fandraisana andraikitra, vao nantsoina izy ireo dia tonga. Asa vonjimaika no tanterahin’izy ireo fa ny kaominina kosa dia manaitra ny tomponandraikitra mahefa mba handray ny anjara tandrify azy ka hanara-maso sy hanolo ireo andrinjiro hazo ahitàna fahasimbana ho fisorohana ny loza mety hitranga sy ho fiarovana ny mponina manodidina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Entanina hatrany isika mponina, aoka ho mailo mandrakariva ka tsy hikasika ireny andrin-jiro mianjera ireny fa iantso avy hatrany ny tomponandraikitra eo amin’ny Jirama, amin’ny laharan-tari-by 3547 na manatona ny tomponandraikitra ety ifotony” hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Anisan’ny loza mitatao tokony ho sorohana mandritra ny fotoam-pahavaratra ny fanakaikaizana ireny andrin-jiro hazo ireny. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fitandremana raha mipetraka amin’ny toerana avo na manakaiky hazo maniry na efa antitra ireny, hisorohana ny loza isan-karazany indrindra fa ireo ankizy. Ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’izany rehetra izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire