Tontolo iainana: Hitaky ny rariny amin’ny lafiny tontolo iainana mandritra ny COP 27 i Madagasikara.
Hotanterahina any Egypte ny 6 hatramin’ny 18 novambra ho avy izao ny cop27. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Madagasikara ary hitondra ny fangatahany ihany koa mahakasika ny rariny tokony hapetraka eo amin’ny firenena rehetra amin’ny lafiny tontolo iainana. Nisy ny fanaovan-tsonian’ny fifanarahana mahakasika ny tontolo iainana nataon’ireo firenena tena mpandoto ny rivotra iainana ka hitaky ny fanatanterahana izany i Madagasikara.
“4% amin’ny fandotoana ny rivotra hiainana ihany no vokarin’ny firenena afrikanina. Ny avy any amin’ny ila-bolan-tany avaratra no tena miteraka ny fahalotoan’ny rivotra ka efa nanaiky izy ireo fa handrotsaka “100 milliards dollars” ho an’ireo firenena mizaka ny fandotoana rivotra mihoapapana avy amin’izy ireo. Anisan’izany i Madagasikara ka izany indindra no hangatahana sy hitakiana izany fifanarahana izany”, hoy i Setraniaina Rajafetra Abraham, Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
“Hoentina miatrika ity COP27 ity ihany koa ny mahakasika ny tetik’asa fampiasana ireo angovo azo havaozina sy ireo vokatra izay hahafahana mamokatra angovo azo ampiasaina. Ity tetik’asa ity izay mitaky vola miodina eo ho eo amin’ny “21 milliards dollars” eo ho eo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Maro ireo antony sy tokony tsy maintsy hamonjen’ny Madagsikara ity fivoriam-be ity raha ny toetoetry ny tontolo iainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao no jerena. Misy antony avy eto antoerana ary tsy vitsy ihany koa ireo antony avy amin’ny firenena ivelany miteraka ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao. Hoentina eo anatrehan’ny COP27 izany ary hisy ny atrik’asa eo anivon’ny Ministera hanomanana izany.
Miora Raharisolo
