Espagne : Setenil de las Bodegas, tanàna anaty vato
Kaominina iray ao amin’ny faritanin’i Cadix ao Espagne i Setenil de las Bodegas. Vondrom-piarahamonina mizaka tena ao Andalousie izy io izay 157 km ny renivohi-paritanin’i Cadis. Miavaka noho ny fitoerana io tanàn’i Setenil de las Bodegas. Niorina anaty vato goavana izy io ary misy aza ireo trano tsy misy tafo fa miloloha vato.
Isan’ireo antsoina hoe « villages blancs » ihany koa i Setenil de las Bodegas. Miloko fotsy avokoa ny trano ao amin’ny tanàna. Raha ny fantatra dia efa tany amin’ny 25.000 taona lasa tany no efa nanomboka nisy nonina teo amin’io toerana io.
