Ukraine : Ankizy an’arivony no nalefa natsangana tao Russie
Rehefa nanao fanadihadiana ny New York Times dia namoaka ny 22 oktobra teo fa ankizy an’arivony tao Ukraine no nalefa natsangana tao Russie. Ankizy tafasaraka tamin’ny fianakaviany manoloana ny ady na nohesorina tao amin’ireny toerana fitaizana zaza kamboty ireny ireo nalefa tao Russie ireo.
Raha ny fanazavan’ireo gazety amerikanina io dia nandritra ny fibodoan’i Russie ny tanànan’i Marioupol no nisarahan’ireo ankizy ireo tamin’ny ray aman-dreniny. Nalefa tany amin’ny faritra nofehezin’ny tafik’i Russie moa izy ireo taorian’izany.
Tsy fantatara mazava kosa ny isan’ireo zaza nalefa tao Russie saingy arak’i Kiev dia an’arivony izany. Raha tsiahivina dia efa nitatitra i Moscou ny volana aprily teo fa zaza avy ao Ukraine niisa 2 000 no nigadona tao amin’ny faritanin’izy ireo.
