ActualitésTatitra

Seychelles : Hisy ny fampiakara-karama amin’ny taona 2023

Nanao fanambarana ny filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan nandritra ny lahateny nataony teo anivon’ny Antenimierampirenena fa ho ampiakarina ny karama ao amin’ny nosy. Ho zarain’ny governemanta amin’ny mponina hoy izy ny harenan’ny firenena.

Ny taona ho avy izao no heverina fa hiatra io fampiakan-karama io. Niaiky kosa ny filoham-pirenena andritra ny lahateny nataony fa nisy ireo fanam-pahankevitra noraisin’izy ireo niteraka fahasahiranana ho an’ny olona maro. Manoloana izany dia miezaka manarina ny toekarena ravan’ny Covid-19 izy ireo. Nanamafy io tompon’andraikitra io fa sehatra efa miasa ary mbola hamafisina amin’ny fampiakarana ny toekarena ny fizahan-tany.

Laisser un commentaire