ActualitésTsidika

ESP Big : Misy karazany, mifanaraka amin’ny filàn’ny maro ny fampianarana

Misy karazany roa ary mifanaraka amin’ny filàna na ny fahafahan’ireo mpianatra ny fampianarana ao amin’ny ESP Big (Etablissement Supérieur Professionnel spécialisé en informatique) eny Tsimbazaza. Misy ny fianarana na fiofanana anaty efitra izay hatrehina isan’andro, misy ihany koa ny fiofanana izay ampitain-davitra.

« Natao mifanaraka tanteraka amin’ny fahafahan’ireo mpianatra ny fiofanana ato amin’ny ivon-toerana, ary manaraka ihany koa ny fivoaran’ny teknolojia. Natao izany mba hanomezana fahafaham-po ho an’ny rehetra » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Anisan’ny mampiavaka ny ESP Big, afaka mianatra ato amin’ny ivon-toerana avokoa ny tanora rehetra na sokajy littéraire na scientifique vao afaka ny fanadinana bakalorea. Tsy ireo ihany anefa fa misokatra ihany koa ho an’ireo efa manana fahaizana amin’ny informatika sy ny fianarana mifanaraka amin’izay » hoy hatrany ny tompondraikitra.

Efa miroborobo ary efa tafiditra ato anatin’ny fanatotoloana sy mirona mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia ny tanora malagasy amin’izao fotoana izao, ilaina araka izany ny manampy traikefa, mianatra mifehy io tontolo io. Tombony lehibe izany ho an’ireo liana sy te hiditra lalindalina kokoa ao anatin’ny tontolo siantifika sy ny matematika.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire