Australie : The Australian National University, oniversite mendrika indrindra ao amin’ny firenena
Laharana faha-8 maneran-tany i Australie eo amin’ny sehatrin’ny firindrana sy fahatsaran’ny tontolon’ny fampianarana. Sampam-pianarana 3 020 no hita manerana ireo oniversite 163 misy ao aminy. Mampiavaka azy ny fahatsaran’ny fiofanana STIM (Science, Technologie, Ingénierie, Mathématiques) indrindra ao amin’ny anjerimanontolo The Australian National University (ANU).
Oniversite mendrika ary tsara indrindra ao Australie ny ANU izay niforona tamin’ny 1 aogositra 1946. Laharana faha-27 kosa izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena arakin’ny QS World University Ranking 2022. Ny latsa-bato nataon’ny Parlemanta federaly no nahatafajoro io oniversite io ary ny hitantana sy hampiroboroboana ny fikarohana ao Australie no tanjona tamin’ny fananganana azy.
