Fitsaboana: Mila paosin-drà 60 isan’andro ny hopitaly.
Anisan’ny asa soa tsy misy tambiny ny fanomezan-drà araka ilay teny filamatra izay efa re matetika hoe manome rà, manome aina. Fotoana iray hanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny olona rehetra tsy mifankahalala izany fanomezan-drà izany.
Manodidina ny 60 paosy isan’andro ny rà ilaina eny anivon’ny hopitaly ho ampiasain’ireo marary. Ireo vehivavy miteraka sy ireo olona niharan-doza no tena mila betsaka izany rà izany. Ireo olona rehetra tsy misy aretina mitaiza sy salama tsara dia afaka manome rà avokoa eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny famindrana rà etsy amin’ny hopitaly HJRA.
“Samy tonga saina fa zava-dehibe ny rà eo anivon’ny Hopitaly ka izany no nahatonga anay hanao ity hetsika ity hahafahana manampy ny olona misedra fahasahiranana amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 600 ireo mpiasa namaly ity hetsika nokarakarain’ny Solidarité du personnel de santé de Madagascar (SPSM) ity. Izany no natao mba hahafahana mameno ny isan’io paosindrà,ialian isan’andro io », hoy ireo tompon’andraikitra.
« Tsara ny manamarika fa mahasalama ny manome rà fa tsy sanatria hoe miteraka aretina hafa indray, manavao ny rà mikoriana ao anaty vatana izany. Manala ireo singa mamotika ny vatana ihany koa ny fanomezandrà ary indrindra mety hiaro amin’ny aretin’ny fo ihany ko aizy io », hoy i Dokotera Rakotoarisoa Fanja.
Tsara ny manamarika fa afaka atao miverimberina ao anatin’ny taona izany fanomezan-drà izany raah salama tsara ilay olona. Isaky ny efa-bolana ny vehivavy iray no afaka manome rà ary isaky ny telo volana kosa ny lehilahy.
Miora Raharisolo
