Ankadikely Ilafy: Fampatsiahivana mahakasika ireo sarany sy ny antontan-taratasy ilaina ho an’ny fandraharahana ao amin’ny kaominina
Maro amin’ny olom-pirenena mikarakara antontan-taratasy na mandraharaha eny anivon’ny kaominina no tsy mbola mahafantatra na mahalala ireo zavatra ilaina sy ny sarany mifanaraka amin’izany eny anivon’ireo birao eny amin’ny kaominina. Anisan’ny mahatonga fivezivezena ary fahaverezam-potoana ny tsy fahalalana ao anatin’izany. Ilaina ny mampahafantatra izany, indrindra mampatsiahy ireo olom-pirenena hialana amin’ny tsy fahalalana.
“Manomboka amin’ny 0ariary ka hatramin’ny 800ariary no sarany aloha raha amin’ny fanamboarana kopia na fanoratana zaza eny anivon’ny kaominina, izany dia miankina amin’ny maha vaovao na ankoatra ilay kopia hatao. Miankina amin’izay ihany koa ny antotan-taratasy ilaina, ohatra raha hanao fanoratana zaza vao teraka, ilaina ny fanambarana fahaterahan’ilay zaza avy any amin’ny dokotera, mitondra bokim-pianakaviana, mila ihany koa ny kara-panondron’ny ray sy renin’ilay zaza miaraka amin’ny dika mitovy iray ary ny karapanondron’ny mpanao fanamabarana miampy dika mitovy iray. Amin’ny sarany 0 ariary izany raha koipa vaovao, 700ar kosa raha ankoatrany” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Tsy amin’ny fikarakarana mahakasika ny fahaterahana ihany fa na eo amin’ny fanjanahana zaza, ny fikarakarana ny sora-panambadiana, ny fahafatesana no misy dingana sy antontan-taratasy ilaina mifanaraka amin’izany eny amin’ny kaominina. Maro ny olom-pirenena tsy mahafantatra kanefa tokony hisitraka fampahafantarana izany voalohany mialohan’ny handehanana eny amin’ireo birao tomponandraikitra isan-karazany” hoy I Faly, mpianatra momba ny lalàna.
Tsy amin’ny fahaterahana ihany fa na amin’ny fahafatesana ihany koa aza misy ny dingana sy antontan-taratasy ilaina fikarakarana eny amin’ny kaominina. Ilaina araka izany mametraka peta-drindrina eny amin’ny kaominina hahafantaran’ny olom-pirenena manao fikarakarana eny an-toerana mba hanamora izany serasera izany.
Manitra Ramanantsoa
