La Réunion : Hanokatra ny toeram-pisakafoany voalohany ao an-toerana i Dadju
Ankoatran’ny maha mpihira azy dia mpandraharaha ihany koa i Dadju. Manana toeram-pisakafoana « Fast-food » atao hoe « French In » izy ao France. Maniry ny hanitatra io orinasany io ho lasa tandavan’orinasa io mpihira malaza io ary efa manatanteraka izany.
Hanokatra ny « French In » voalohany ao La Réunion i Dadju amin’ity volana oktobra ity. Ny fiaraha-miasany amin’ny orinasa ao La Réunion toy ny Nasser no nahatanteraka izany hoy izy.
Raha tsiahivina dia hanao fampisehoana eto Madagasikara i Dadju ny 14 oktobra izao.
