Avaradrano: Efa samy miomana amin’ny fahatapahan-jiro ny mponina
Ao anatin’ilay asa fametrahana ilay milina faha efatra, hanampy amin’ny famatsiana herinaratra ao Andekaleka ny orinasa jirama amin’izao fotoana izao. Araka ny efa nolazain’izy ireo, tsy maintsy hisy ny fihatoan’ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka, hisy araka izany ihany koa ny fahatapahan’ny famatsiana herinaratra ho an’ireo tobim-pitsinjarana herinaratra manerana an’Antananarivo, sy ireo faritra hafa manodidina.
“Hisy ny fiatona mandritra ny 5 andro ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka. Izany dia mba hahafahana mametraka ireo fitaovana fanakanan-drano amin’ny groupe faha-4 (vanne sphérique). Tsy ho ampy ho an’ny Tambazotra hiraisan’Antananarivo arak’izany ny vokatra avy amin’ireo tobim-pamokarana hafa tahaka ny ao Mandraka, Antelomita, Manandona, Sahanivotry, Tsiazompaniry, Farahantsana, Ambatolampy, Ambohimanambola, antony hampisy ny fahatapahan-jiro mifandimby izay efa voazara ny faritra sy ny fotoana hisiany avy” hoy ny avy ao amin’ny jirama.
“Samy efa miomana amin’ny fahatapahan-jiro avokoa aloha, indrindra ny eo amin’ny jiro ampiasaina amin’ny alina. Ny fiomanana atao amin’izao dia ny mameno ny vatoaratra ny finday, miomana amin’ny lapozia sy ny sisa, tahaka ny mahazatra rehefa misy delestazy” hoy I Harisoa, mponina ao Ambohimangakely.
Fanatsarana ny eo amin’ny lafin’ny famatsiana herinaratra sy fapitombona vokatra amin’ny herinaratra no anton’ny fametrahana izao milina izao. Hamokatra 33.2 MW fanampiny ny herinaratra ny fametrahana izany, araka ny voalaza. Miandry ny vokatra amin’ny fihenan’ny fahatapahan-jiro araka izany ny mponina.
Manitra Ramanantsoa
