Myanmar : Ahiana ny tsy ho fahampian’ny vola noho ny fanonganam-panjakana.
Myawaddy Bank, bankim-pirenena eo ambany fifehezan’ny tafika Birmana izay tafaverina tamin’ny fahefana indray nanomboka ny 1 febroary, taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’izy ireo. Mandrahona ny hanakatona tanteraka io banky ion y mponina ao Birmanie amin’izao fotoana. Misy ny antso avo nataon’ireo Birmana ny amin’ny hijanonan’ny mpiasa ao amin’io banky io tsy hiasa intsony nanditra ny hetsi-panoherana goavambe tato anatin’ny andro vitsivtsy izao. Raha ny marina, nikatona nandritra ny andro maro avokoa ny ankamaroan’ny banky, ao anatin’izany ny an’ny tsy miankina. niditra tamin’ny hetsika tsy fankatoavana sivily ny mpiasan’izy ireo. Toe-javatra iray izay miha henjana rehefa manakaiky ny karama any Birmania amin’ny zoma. Sampana vitsivitsy amin’ireo bankim-panjakana ihany no mijanona misokatra ao Yangon, mamela ny fisintona na fakana vola saingy voafetra ihany ny vola afaka alaina. Filaharam-be manoloana ny Myawaddy Bank ao Birmanie amin’izao fotoana. Manahy ny vahoaka sasany manoloana ny mety tsy fahafahana maka vola intsony ato ato ka manararaotra misintona izay vola afaka Alaina. Mbola mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fikambanambe eoropeana sy ny mpiara miasa rehetra hitadiavana vahaolana hampitoniana ny raharaha misy any an-toerana.
