ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Hisy  ny sehon-tsehatra hiarahana amin’ireo mpanakanto malaza

Hisy ny sehon-tsehatra goavana izay hiarahana amin’ireo mpanakanto malaza ao amin’ny tany malalakin’ny FLM ambany andrefana, ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny sabotsy 29 oktobra 2022 ho avy izao. Hanomboka amin’ny 3 ora tolak’andro ny seho izay hiarahana amin’ny mpanakanto malaza Mr Saya sy ireo vahiny nasaina hanfana ny hetsika.

« Fotoana tokana hiarahana mifaly sy mampiala voly ny mpianakavy sy ny mpinamana io fotoana io ka hanasana ny mponina ao Talata volonondry sy ny manodidina ho avy. Ny vidim-pidirana izay natao amin’ny vidiny mirary, amin’ny zakan’ny rehetra” hoy ireo mpikarakara ny hetsika.

« Manome sehatra ny kolontsaina sy ny zava-kanto ny hetsika tahaka izao ka tokony ho tohanana, ankoatra ny maha fialam-boly sy fiaraha-mifaly amin’ireo tapaka sy namana » hoy i Santatra, mponina ao Talata Volonondry.

Sady fialam-boly no fanohana ireo mpanakanto ny hetsika tahaka izao. Afaka miara-mifaly mandritra izany na ny tanora na ireo olon-dehibe. Marihina moa fa ao anaty fotoan’ny fialan-tsasatra tanteraka io fotoana io.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire