ActualitésTsidika

Fisitrahana ny trano mora : Efa miroso amin’ny dingana faharoa amin’izao fotoana izao.

Taorian’ny fisoratana anarana hisitraka ny trano mora eny Imerintsiatosika ny volana jolay 2022 teo dia efa miroso amin’ny dingana manaraka amin’ny fisitrahana izany amin’izao fotoana izao. Ity dingana faharoa ity izay hanaterana ny antontan-taratasy ambiny izay ialina amin’ny fangatahana izay natao.

Ireo izay nisoratra anarana rehetra no manatitra izany famenona taratasy izany eny amin’ny SENVH Anosy hatramin’ny faha 14 ny volana oktobra izay amin’ny 3ora sy 30minitra no hifaranany isan’andro. Isaky ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma izany fotoana fandraisana ny antontan-taratasy izany. Mizara telo mazava tsara ireto karazan’olona ireto ka antontan-taratasy samihafa ho an’ny karazan’olona telo izay nisoratra anarana dia ireo mpiasam-panjakana, ireo mpiasa amin’ny orinsa tsy miankina ary ireo mpiasa tena. Ao amin’ny sary ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany.

“Ireo olona rehetra izay nangataka sy nisoratra anarana rehetra no mila manatitra izany antontan-taratsy izany hahafahany misitraka soa aman-tsara ilay trano. Aorian’io dia mbola misy dingana manaraka indray ka ilaina hatrany ny manara-baovao fa rehefa tara amin’ny fotoana izay napetraka dia mitovy amin’ny tsy liana intsony”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny SENVH.

“Mbola maro be ny fanontaniana tsy voavaly avy aminay mpisitraka dia somary sahirana satria sady miasa no lasa mivezivezy be eny Anosy foana fa misy tsy mety foana ny taratasy aterina eny. Tokony asiana fandaharana haparitaka amin’ny “télé” sy radio sy facebook ihany aloha hanomezana fanazavana misimisy kokoa fa sahirana izahay”, hoy Lalaina, mpisitraka ny tetik’asa.

Misokatra amin’ny 8ora maraina ny toerana fandraisana ny antontan-taratasy ary tsy mikatona raha tsy amin’ny 3ora sy 30minitra isan’nadro. Misy ihany koa ny pejy “facebook” hahafahana manaraka ny vaovao rehetra. Ao ihany koa ireo laharana finday izay afaka antsoina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire