Tsena Antananarivo Renivohitra: Nasiam-panovana ny fahazoan-dalana hisitraka ny toeram-pivarotana.
Dépêche 11 octobre, 10h, Nampiasaina ny “digitalisation” ny fanisana ireo mpivarotra anatin’ny faritra Antananarivo Renivohitra ka nahazo karatra maha mpivarotra avokoa izy ireo tamin’izany. Taorian’ny fihaonam-ben’ireo mpivarotra tamin’ny Ben’ny tanàna dia novaina ny sata hiainan’izy ireo. Manomboka izao dia afaka misitraka toeram-pivarotana 10 farafahabetsany ireo mpivarotra ary afaka lovain’ireo taranaka aty aoriana izany. Tsy misy daty fetrany ny karatra ary tsy misy fanavaozana izany fa afaka hampiasaina foana. Rehefa manana karatra dia manan-jo hivarotra ara-dalana.
