ActualitésTsidika

Fidiovana sy fanadiovana : Mangataka fiaraha-miasa amin’ny tsirairay ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

Managataka sy manentana ny fikambana na orinasa na olontsotra ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fiara-misalahy amin’izy ireo amin’ny fananganana foto-drafitr’asa ho amin’ny fanadiovana sy fidiovana eto amin’ny kaominina no tanjona amin’izany.

Miisa 131 fotsiny ireo foto-drafitr’asa fidiovana eto an-toerana ho an’ny mponina miisa 1 700 000 ao anatin’ny boriborin-tany dimy. Raha ny ara-pahasalamana dia tokony trano fidiovana 1 ho an’ny olona 1 300 ka noho izany dia mbola mila trano fidiovana miisa 1 170 ny mponina hahatomombana ny fidiovan’izy ireo.

“Efa naparitaka any ny fiantsoana ho an’ireo izay liana te hahita fahadiovana ato anatin’ny kaominina ka tsy mifidy ireo izay te handray anjara amin’izany na ireo orinasa, na ireo fikambanana, eny na ireo olontsotra aza fa raisina avokoa. Fanamboarana, fitantanana ary fomba fampiasa izany trano fidiovana izany no andraikitra ho ataon’ireo izay liana amin’ity asa iray ity”, hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny fanzavana.

“Misy ireo trano fidiovana afaka afindrafindra sy solosoina efa anaty tetik’asa amin’izao satria tena hita fa tsy ampy ny mponina ireo izay vita hatreto. Raha tsy hiteny afatsy ny fofona ratsy amin’ireny toerana hamanizan’ny olona ireny fotsiny dia miantraika amin’nyn fahasalamana ny tsy fahampiana trano fidiovana io », hoy i Dokotera Louisette Hasinarimino Raoniherijaona, tale mpiandraikitra ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Mifarana ny 25 oktobra izao ity fiantsoana ity ho an’ireo izay liana amin’izany. Raha ny fanisana dia ny ao amin’ny boriborin-tany faha6 no mila ampiana tanana satria dia miisa 3 fotsiny ihany ireo trano fidiovana ao anatin’ity faritra ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire