ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Voasambotra ilay tovolahy namono nanatsatoka antsy ny rahavavin-dreniny

Ny alahady lasa teo no voasambotry ny zandarimariam-pirenena ilay tovolahy nahavita namono, nanatsatoka antsy ny rahavavin-dreniny teny Ambohimitsara, Ambohimangakely, rehefa nitsoaka nandritra ny 9 andro. Tratra ity tovolahy 22 taona ity rehefa fatatra ny mombamomba azy ka nanaovan’ny avy ao amin’ny zandarimaria avy ao Ambohimangakely fikarohana, araka ny voalaza.

« Mbola ao anatin’ny fanadihadiana hatrany ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ary manentana hatrany ireo olona izay manam-baovao tsy hisalasala hiantso ny zandarimaria. Hisaorana ireo efa nanampy tamin’ny filazam-baovao nahafahana nahita ny mpandika lalàna tahaka izao » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Mendrika ny sazy henjana sy mifanaraka amin’ny heloka vitany ny mpanao ratsy tahaka izao. Tany tan-dalàna i Madagasikara ary tsy azo atao ny mandatsak’aina ka izay no handrasana amin’ny fitsarana ny hanomezana sazy mahafay sy mendrika ny tranga toa izao » hoy i Aina, mpianatra lalàna.

Efa maro tokoa ny trangana asa ratsy niseho tato ho ato, na teo amin’ny tranga tsy fahandriam-pahalemana, vaky trano, vono olona, fanolanana, fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Mila fandraisana fepetra hentitra sy fampiharana ny sazy ara-dalàna, avy amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny izany mba hamaizana sy hanasazina ireo olon-dratsy mba tsy hiverenana amin’ny tranga toa izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire