Azo ampiharina eto Madagasikara ve ny “tarif optima” ?
Manahirana ny mpanjifa ankehitriny ny manavaka ny tolotra homena azy eo amin’ny fampiasana Jiro sy rano. Saiky mapimenomenona ny mpanjifa ny fiakaran’ny vidin’ny jiro sy rano isam-bolana. Manampy izany ny fahatapahan-jiro lavareny amin’ny faritra maro samihafa. Tsy vitan’izany ihany fa misy amin’ireo mponina no tena mijaly rano vokatry ny tsy fahampiana. Milina sy tobim-pamokaran-drano maro ihany koa anefa no misedra olana nohon’ny efa fahanteran’ny fitaovana ampiasaina ka mahatonga ny olana eo anivon’ny Jirama. Tsy mikely soroka eo amin’ny fitadiavana vahaolana ihany koa anefa izany ireo. Ny volana janoary lasa teo, raha tsiahivina, no nametraka fomba fiasa vaovao izy ireo eo amin’ny “tarif” hampiasain’ny mpanjifa. Namoaka ny “tarif Optima” izy ireo tamin’izany. Tanjon’izy ireo ny hanenana ny saran’ny herinaratra hampiasain’ny mpanjifa hatrany amin’ny 80%. Raha ny hita anefa, mbola tena nanahirana ny mponina be ihany ny hampiasana azy io. Mbola sahirana tamin’ny fanefana ny trosa nandritran’ny covid-19 ihany koa ny ankamaroan’ny mponina ka tsy dia nahalala loatra ny tena mombamomba ity tolotra vaovao nomen’ny orinasa Jirama ity.Ny governemanta koa etsy ankilany mbola tsy nankasitraka tanteraka ny fanatanterahana izany .Mbola tsy mifanaraka tanteraka amin’ny fahefa-mividin’ny mponina eto Madagasikara ny fampiasana io sarany vaovao io. Mbola manjavozavo amin’ny mpanjifa anefa hatreto ny fampiasana azy io.
Fanilo Rarivoarilala
