ActualitésTsidika

Ambatondrazaka: Fanafihana hafa kely sady mahavariana no mampihorin-koditra.

Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao Mangalaza, kaominina Feramanga avaratra. Fanafihana somary hafakely ny fisehony noho ny fisiana biby mivadika olona ary io biby io mihitsy no manao ny asan’ireo jiolahy ireo.

Jiolahy mirongo basy no nanao izao asa ratsy izao. Nony tafiditra tao an-tranon’ity fianakaviana ity izy ireo dia navoakany ilay bibilava ka io, biby io no nikaroka ny vola sy ny firavaka rehetra tao an-trano. Nivadika ho vehivavy io biby io rehefa vita ny asa nampanaovina azy. Vola antapitrisany maro sy firavaka volamena miaraka amin’ny vary 17 gony no lasan’izy ireo tamin’izany.

“Dahalo miaraka amin’ny basy sy biby mampatahotra no ao an-trano dia nipararetra izahay ka na ny hiantso vonjeo aza tsy vitanay sady tsy nahasahy izahay, tamin’izany dia nanararaotra ireo jiolahy ireo ka lasany any daholo ny hany mba fananana kelinay”, hoy ity raim-pianakavana niharam-boina ity.

“Tsy fantatra ireny jiolahy ireny na tena olona na inona fa na ny fiara na ohatra hoe kibota nitondrana ny entana aza tsy nisy naheno akory kanefa dia vetivety kely ireo jiolahy ireo dia tsy hita fa toa ohatran’ny hoe nanjavona izany”, hoy i Zama, mponina ao Mangalaza.

Mitaintaina fatratra ireo mponina alavitry ny tanan-dehibe noho ny tsy fisian’ny mpitandro filaminana sy noho ny fahaizan’ny olona sasany. Na misy aza anefa ny mpitandro filaminana mety ny fahaizan’ireny jiolahy sy ny hery ampiasain’izy ireo dia tsy hatratrarana azy ireo mihitsy.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire