Fanatanjahan-tena: Nolavin’ny avy ao amin’ny Polisy ny fangatahan’ny avy ao amin’ny Zandarimaria
Dépêche 06 octobre, 11h30, Nangataka mpilalao roa avy ao amin’ny Club Omnisports de la Police Nationale (COSPN) ry zareo avy ao amin’ny Gendarmerie nationale basketball club (GNBC) mandritra ny Road to Bal. Randriamampionona Elly sy i Rajohnson Fihary izany ka dia namoaka moa ny avy ao amin’ny COSPN fa tsy afaka ny hanome ireo mpilalao ireo. Noho ny fisian’ny lalao famaranana ny “championnat national de première division” ny faran’ny volana oktobra izao no nolazaina fa anton’izao.
