ActualitésTatitra

Ranomasina Pacifique: Biby hafakely ny « requin-lézard »

Mbola maro ny biby tsy mampino ny fisiany. Anisan’izany ny requin-lézard, ao amin’ny ranomasimbe Atlantique sy Pacifique no ahitàna azy. Omena ny anarana siantifika hoe Chlamydoselachus anguineus io biby io ary, miaina any amin’ny ranomasina lalina any amin’ny 1.500 metatra any.

Madinika ny nifin’ny requin-lézard ary maro an’isa, mahatratra hatramin’ny 300 isa izany. Mirefy hatramin’ny roa metatra izy ary ny vavy no lehibe kokoa amin’izy ireo mba hitoeran’ireo zanany. Marihana mantsy fa irony dia karazana biby foy atody ao anaty irony ny requin-lézard ary miaina ao anatin’ny reniny hatrany amin’ny telo taona any ireo zanany vao mivoaka.

Laisser un commentaire