ActualitésTatitra

Florida : Antsantsa iray no hita teny arabe tondra-drano

Nanomboka ny 29 septambra teo no niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny horonantsarin’antsantsa iray nivezivezy teny amin’ny arabe tondraka. Raha ny fanadihadian’ireo tompon’andraikitra dia nentin’ny fiakaran’ny rano nandritra ny « ouragan Ian » io biby io.

Marihana fa efa nanafatra ny FWC (Florida Fish and Wildlife Conservation Commission) fa ny fiovan’ny toetry ny andro dia hamoa kokoa ny biby. Nanamafy izy ireo fa mety ahita biby tsy fahita amin’ny fiainana an-davanandro maro ny mponina manoloana ny fandalovan’ny andro ratsy. Notanisan’ny kaomisiona tamin’izany ny voay (alligator), bibilava ary « ours ».

Laisser un commentaire