Toetr’andro : Tafiditra anaty vanim-potoan’ny lohataona tanteraka
Dépêche 04 octobre, 15h, Mafana ny andro, mipoaka ingahy be masoandro, na amin’ny alina ary efa tena hatsapana fa mafana tanteraka tokoa. Raha ny eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao dia tafiakatra 26° ny mari-pana ambony indrindra ary 14° kosa ny ambany indrindra. Efa tena mandoro ny masoandro ao ivelany ao ka tsy tokony hadinoina ny satroka sy ny solomaso ho an’ireo izay tsy mahatanty izany masaoandro mahamay loatra izany.
