Ambohimangakely : Maimaimpoana avokoa ny fiofanana ao amin’ny BTC amin’ny oktobra 2022
Maimaimpoana avokoa ny fiofanana rehetra ao amin’ny BTC amin’ny volana oktobra ho avy io. Ho fanampiana ireo mpiara-belona sy ny fifampitsinjovana samy malagasy, afaka hisitraka ireo fiofanana rehetra misy eo anivon’ny BTC ireo mponina manodidina na ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Maimaimpoana tokoa ny fampiofanana amin’ny sehatra rehetra misy amin’ny volana oktobra toa fampianarana ny taranja frantsay, anglisy, informatika, ny fiofanana mahakasika ny lakozia sy ny mofo isankarazany, ary ny efa mampiavaka ny btc hatramin’izay dia ny tefy vy sy ny fikirakirana fitaovana isan-karazany » hoy ireo tompon’andraikitra.
« Fotoana tokony hanararaotana ny fiofanana maimaimpoana tahaka izao. Tsy isanandro no misy izany ka tokony hazoto ireo tanora fa ilaina ny manovo fahalalana hafa ankoatra ireo izay ratovina any an-tsekoly » hoy i Miarintsoa, mpampianatra.
Ao anatin’ity fampiofanana maimaimpoana ity moa, dia misy ny fisoratana anarana mialoha izay tokony ataon’ireo liana amin’izany, eny an-toerana ihany ary efa mandray izay ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana.
Manitra Ramanantsoa
