France : Chantal Séribe, vehivavy nangataka ny fanafainganana ny andro nahafatesany tamin’ny fitsarana
Tamin’ny taona 2008 no nisehoan’ny tantaran’i Chantal Sébire. Vehivavy mpampianatra izy ary teo amin’ny faha 52 taonany dia nangataka tamin’ny fitsarana tao France ary nanoratra taratasy ho an’ny filoha tany aloha Nicolas Sarkozy ny nanafainganana ny fahafatesany izy.
Nangataka fanafody nahafaty i Chantal Sébire tao anatin’izany fangatahany izany. Antony ny tsy fahazakany intsony ny homamoadana izay nikiky azy ary nitarika azy tamin’ny fahajambana. Tsy nisy fanafany intsony io aretina nahazo an’i Chantal Sébire io ary nilaza izy tamin’izany fa tsy zakany intsony ny fanaintainana iainany ary tsy vitany intsony ihany koa ny hiady amin’ilay aretina.
Efa nanao antso avo ary nivahiny tamin’ny fahitalavitra maro i Chantal Sébire talohan’ny nandefasany fangatahana tany amin’ny fitsarana sy ny filoha. Nolavin’ireto farany nefa izany saingy tsy nataony sakana tamin’ny fanatanterahana ny hevitra efa masaka tao an-dohany. Nhinana fanafody nahafaty izy ary maty ny 19 Martsa 2008 mba nanafoanana ny faintainany.
Dia ho tsinin’i Chantal Sébire ve?
