Ambovombe Androy: tsy maharaka ny mponina ny rano any an-toerana.
Mihena sady mha lafo ny rano tonga ao Ambovombe Androy ankehitriny ary tsy maharaka ny filàn’ny mponina intsony izany.
Mampikaikaika ny mponina any amin’iny faritra atsimon’ny Madagasikara iny tsy fisian-drano, nanome vahaolana ho amin’izany ny fitondram-panjakaan amin’ny fanterana rano tsy miato ho azy ireo. Ankehitriny anefa dia tsy mahraka ny filàn’ny mponina intsony izany rano izany ary dia miha lafo ihany koa satria mahatratra hatramin’ny 2000ar ny iray “bidon” 20 litatra amin’ny faritra sasany izay 800ar ihany koa anefa ho an’izay mba mahazo mora.
“Olana efa antaonany maro aty aminay ity resaka rano ity fa hatramin’izao izay mpitondra teo dia mbola tsy nahita vahaolaan ho anay foana, izahay moa ho aiza, izahay tsy manana fidiram-bola be hoe andehanana mifindra satria voly no azonay atao aty anefa ny rano aza tsy misy”, hoy i Tina mponina Ambovombe. “Ilay tetik’asa hanao forage sy ilay hitarika ranomasina havadika rano madio anie efa natao sa ve ilay manam-pahaizana eto Madagasikara tsy misy ka hatao tsinontsinona toy izao ny vahoaka sasany”, hoy kosa i André mahakasika ziany. Namaly izany ny manampahaizana amin’ny sehatry ny rano iray : “tetik’asa ireny efa voasoratra, araka ny maha tany kere ny any atsimo anefa dia mila fitaovana goavaan vao afaka hahazo rano sy haitarika izany rano iozany. Efa mitady vahaolana amin’izany rehetra izany fitondram-panjakana ankehitriny”.
Mila mitady paik’ady mahomby ny fanjakana hitadiavana vahaolana amin’ity resaka rano ity. Ny faritra Androy aloha ziao no voaresaka far aha tena jerena ifotiny isaky ny faritra dia hita fa olana goavaan eto Mafdagasikara mihitsy ity rano ity.
Miora Raharisolo
